arpm_logo

Autorité de Régulation des Marchés Publics


ARMP

Fanamafisana ny fahaizamanao amin’ny tsenambarom-panjakana nasionaly: nisokatra ny fiofànana

      Antananarivo, 13 Jolay 2026 – Nosokafana androany ny fiofanana momba ny Système de Passation des Marchés de l’Emprunteur (SPME) na Fomba Fandraiketana Tsenambarotra ho an’ireo Mpihidram-bola karakarain’ny Manamahefa Mandrindra ny Tsenambarom-panjakana (ARMP) sy ny Banky Afrikanina ho amin’ny Fampandrosoana (BAD)
       Mandray anjara amin’ity fiofanana ity avokoa ireo tetikasa rehetra vatsian’ny BAD vola eto Madagasikara amin’ny alalan’ireo tompon’andraikitra misahana ny fanatanterahana sy ny fitantanana ny tsenambarom-panjakana isaky ny tetikasa.      
Tanjona iraisan’ireo mpandray anjara ny hanatsara sy hampahomby ny fanatanterahana ireo tetikasa vatsian’ny BAD vola, hampiakatra ny tahan’ny fampiasana ireo loharanom-bola voahetsika (taux d’absorption) ary hiantohana fa vola nampiasaina dia azahoana vokatra hita maso ho tombontsoan’ny vahoaka.      
Notsipian’dRamatoa Tale Jeneralin’ny ARMP izay nanokatra ny fiofanana, fa ny fifehezana tsara ireo fepetra mifehy ny tsenambarom-panjakana no antoka iray lehibe amin’ny fahombiazan’ny fanatanterahan’ ireo tetikasa. Nambarany ihany koa fa ity fiofanana ity dia sehatra iray hanamafisana ny fahaizamanao, hifanakalozana traikefa ary hamahàna ireo olana sedraina eo am- pampiharana ny fitsipika nasionaly mifehy ny tsenambarom-panjakana.
       Mandritry ny dimy andro ireo mpandray anjara no hanitatra ny fahalalàny sy hanamafy ny fahaizamanaony amin’ny fandalinana ireo fepetra mifehy ny tsenambarom-panjakana mba hahafahany manatsara hatrany ny kalitaon’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana eto Madagasikara.
Manamafy ny ARMP sy ny BAD fa ny fiaraha-miasa toy izao no manamafy ny ezaka iombonana mba ho fanatsarana ny rafitra nasionalin’ny tsenambarom-panjakana sy ny fanovàna ireo famatsiam-bola ho lasa vokatra azo tsapain-tanana ho tombotsoan’ny be sy ny maro.


Copyright©2022 Équipe de la DSI ARMP.